Mose Njo
Manoratra aho, manorina tontolo, ary mitantana tetikasa roa miorim-paka eto Madagasikara: The Lisy Society, orindraharaha ho an’ny teny malagasy, ny fahalalana, ny hoavy, ary Pepero, trano mamorona rindrambaiko manan-kevitra sy andrampiainana mitoina.
Teny ho any koa aho, dia:
- Nikabary tao amin’ny TEDx Manjakamiadana
- Nianatra filma tany Berlin noho ny vatsimpianarana Art-on-the-Run
- Nahazo Maripankasitrahana Mendrika tamin’ny Africa@2050
- Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny Jeux de la Francophonie
- Namelabelakevitra tao Duke sy Johns Hopkins
- Nandika asa soratra, zavakanto ary fanebeazana amin’ny teny malagasy sy frantsay
- Voafantina ho anisan’ny Lunar Codex 🚀🌙
- Nanoratra an’i Lisy Mianjoria, boky SF voalohany amin’ny teny malagasy, mbola be mpamaky, mbola be mpankafy — sady manomana mangingina ny faha-10 taonany amin'ity Desambra ity
Asa voafantina sy mbola ataoko:
Tetikasa
- The Lisy Society—orindraharaha velona ho an’ny teny malagasy, ny fahalalana ary ny hoavy.
- Pepero—trano fitantara mamorona rindrambaiko manan-kevitra sy andrampiainana mitoina.
- Atlisy—rakibolana malagasy–frantsay–anglisy haingana sady fototry ny tetikasa fahalalana mivelatra kokoa.
- Lamasinina—laboratoara mangingina ho an’ny tantara, fanoratana, fikarohana ary fanandramana famoronana.
- Filmada—sarintany velona momba ny sinema malagasy, ny filma, ny mpanatontosa, ny toerana, ny lohahevitra ary ny fahatsiarovana ampeo sy amimaso.
- Môssieur Njo—sehatrasako amin’ny haikanto ara-boankevitra, momba ny fahatsapana, ny velovelo ary ny sainkafa.
- ko18—anarana ampiasaiko rehefa manoratra, mamorona ary miara-mandrindra mozika.
Lahateny & resadresaka
- Efa nanao famelabelarankeitra tany Duke University, Johns Hopkins University, Université de Lyon, ISCAM Business School Madagasikara, TEDx Manjakamiadana, ary Bibliothèque nationale d’Abidjan aho. Indraindray aza nisy olona naharitra hatramin'ny farany mihitsy.
- Efa niara-nipetraka tamina latabatra boribory sy fihaonambe tamina mpanoratra toa an’i Karan Mahajan, Abhay Kumar, Francesca Mari, Nina Leger, Pierre Ducrozet ary Ilija Trojanow aho. Teo ambony sehatra, niezaka tsy hiresaka be loatra momba ny tsifisian’izany voankevitra antsoina hoe fotoana izany na ny fomba fampijanonana ny fotoana aho raha nisosa haingana loatra izato izy. Saingy tsy nahomby ilay andrana.
Fanoratana & famoahana
- Nahazo Maripankasitrahana Mendrika tamin’ny tantara fohy iray tao amin’ny Africa@2050 Climate Fiction Competition aho. Tiako ny manamarika fa voalohany aho—raha avy any amin’ny farany no manisa. (Ary koa: izaho irery no tsy mpiteny anglisy teratany. Hatreo ihany.)
- Namoaka an'i Lisy Mianjoria, siansa foronina (SF) amin’ny teny malagasy, aho. Mbola mandeha tsara ny fivarotana azy, mbola mahita mpamaky, ary mbola mandefa hafatra mahafinaritra ery amiko ry zareo.
- Navoaka tao amin’ny Europunk, antolojia frantsay momba ny siansa foronina tao amin’ny Realities Inc., aho. Eny, punk izaitsizy araka ny eritreritrao ilay izy.
- Nanoratra miafina senario ho ana filma lava sy seria misy tonona maromaro tany Eoropa aho. Angamba efa nahita zavatra nosoratako ianao—tsy fantatrao fotsiny. Vazivazy izany.
- Efa nadika amin’ny teny romanianina aho (Convorbiri Literare), alimanina (LCB Diplomatique), sinoa (The Digital Aesthete - AI Masters) ary azo heverina hoe voatonon-diso amin’ny fiteny vitsivitsy hafa ihany koa.
- Navoaka indroa tao amin’ny Future Science Fiction Digest aho, miaraka amin’ny tantara roa nadikan’i Allison M. Charette.
- Voafidy ho ao amin’ny Lunar Codex aho—midika izany fa ara-bakiteny dia mankany amin’ny Volana ny asako. (Mbola mahagaga ahy io fehezanteny io.)
Fandikan-teny & fiteny
- Nandika an'i Roberto Zucco amin’ny teny malagasy aho. Tantara an-tsehatra tsy misorona izy io.
- Nandika ny 100 Great Indian Poems amin’ny teny malagasy sy frantsay aho. Nandika ihany koa ny The Magic of Madagascar nosoratan’i H.E. Abhay K., Masoivohon’i India teto Madagasikara. Tiako ny manamarika manokana an'izany rehefa te hieboebo kely iny aho.
- Nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Sata ho an'ny fahamatianin'ny boky aho—taratasy natao hanampy hamolavola ny hoavin’ny sehatry ny boky eto Madagasikara. Tao aho amin’ny maha-mpanoratra ahy. Ary angamba amin’ny maha-olona mametraka fanontaniana azo lazaina hoe be loatra ihany.
- Tsy nikasa hiditra ao amin’ny ekipa mpandrindra an’ilay raharaha fandikana ny WordPress amin’ny teny malagasy ka ho mpanaramaso ny fandikanteny aho—tonga fotsiny aho, nametraka fanontaniana be loatra, dia nomen-dry zareo andraikitra. Ankehitriny manampy amin’ny fandikana WordPress amin’ny teny malagasy aho ary mody mahafantatra izay ataoko. (Mahagaga fa mandeha tsara izato izy.)
- Mpanolotsaina ao amin’ny Teny Gasy 2.0 aho amin’izao fotoana izao, fikambanana ho an’ny teny malagasy sy ny kolontsaina nomerika.
Filma
- Nahazo vatsimpianarana hianatra filma mahaleotena tao amin’ny Art-on-the-Run Film School tany Berlin aho. Tsy nihazakazaka mihitsy aho. Na indray mandeha aza. Fa Andriamanitra mahalala fa dia nandeha an-tongotra anie izaho ity.
- Nanoratra sy nanatontosa filma fohy ho an’ny orinasa sosialy Le Relais, noforonin’i Abbé Pierre, aho. Tsy ilay eritreretinao ny dikan'ireo B roa ao amin’ny hoe Abbé.
- Nanomboka ny Filmada aho mba hanao sarintany ny sinema malagasy miaraka amin’ny mpanatontosa filma malagasy namana any Etazonia, Sina ary Madagasikara. Mitohy mangingina ilay tetikasa rehefa niato elaela. Filmada dia miova tsikelikely ho sarintany velona momba an’i Madagasikara—filma, mpanatontosa, toerana, lohahevitra ary fahatsiarovana ampeo sy amimaso—atsangana tsimoramora, tsikelikely.
Lalao
- Namorona ny Lisy's Dream izahay—zatovo iray sy izaho—lalao video momba ny tovovavy iray manana tsiambaratelo sy tontolo iray manana varavarana maro loatra. Ny sombiny voalohany dia naseho ampahibemaso tamin’ny Festival des Développeurs de Jeux Vidéo tao amin’ny Institut Français de Madagascar; toa fahadisoana izany—fa fahadisoana matsiro.
Zavakanto, fanabeazana & asa ara-kolontsaina
- Mpitsara tamin’ny Diary Nofy aho, tetikasa mamorona bokin-tantara ho an’ny ankizy malagasy sy mampita fitiavana mamaky teny.
- Môssieur Njo no sehatrasako amin'ny haikanto ara-boankevitra. Ahitana fampirantiana, sanganasa an'habaka, ary lahatsoratra izato izy, anisan'izany ny fandraisako anjara tamin'ny bokin'i Joël Andrianomearisoa ho an'ny Madagascar Pavilion tamin'ny Biennale de Venise faha-58. Taorian'ny fizarako ampahibemaso ny eritreritro momba ny afantazia, dia miroso amin'ny toko vaovao aho, ka miompana amin'ny fahatsapana, ny velovelo, ary ny sainkafa.
→ mossieurnjo.com - Nampianatra fanoratana famoronana tamin’ny ankizy, tanora, ary vondrona iray tsy hay hadinoina nisy olona mihoatra ny 70 taona izay niredareda bebe kokoa noho ny hafa rehetra aho.
Fankasitrahana & fisoloantena
- Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny Lalaon'ny Frankofonia tany Abidjan aho. Tao koa i Mohamed Mbougar Sarr. Nahazo Goncourt izy. Izaho tsy nahazo. Ary tsy hahazo mihitsy.
Fikasana hafa mahaliana
- Araka an-dry ChatGPT sy Perplexity, “Madagascan Renaissance Man” hono aho. Tsy manaiky i Google Gemini. Fa hainareo ihany i Gemini.
- Nanolotsaina orinasa ana disaina iray izay aho. Traikefa namelombelona. Ary indraindray aza, mihaino izy ireo.
Mozika
- Manao mozika aho. Mangingina—tena mangingina. Manoratra, mamorona ary miara-mandrindra amin’ny anarana hoe ko18. Ny iray amin’ireo hirako, "ara mitsangana", entin’ny feo malia, mamirapiratra ary mampihetsi-po amim-pahanginana an’ilay artista ara-javakanto Miangaly Elia, dia voatendry tamin’ny RDJ Awards, loka lehibe indrindra ho an’ny mozika eto Madagasikara.