Nahoana ny Malagasy đČđŹ no MBOLA tara lava (ary fomban-javatra izany) ary nahoana ny Japone đŻđ”âŠ
Published · MG · Originally on Medium â
Madagasikara, 1817.
Nahoana ny Malagasy đČđŹ no MBOLA tara lava (ary fomban-javatra izany) ary nahoana ny Japone đŻđ” TALOHA no tara lava (ary nahoana no fomban-javatra izany taminâizany, saingy efa tsy izany intsony aminâizao)
Madagasikara, 1817.
Tsy mahandry tantana i James Hastie. Eo am-piresahana aminâilay mpanjaka tanora maitso volo sy lava volo antsoina hoe Radama I izy, mirandrana ny volonâizato mpanjaka sady milamindamina somary mahavariana izany. Isaky ny miteny zavatra i James Hastie, aminâny teny anglisy, dia mitodika any aminâny vahoakany vory ao ivelany ao i Radama I, mandika aminâny teny malagasy, mitatitra izay voalaza, indraindray manisy ny heviny eo amboninâilay resaka ary mifarana hatrany amina teny toy ny hoe:
âTsy izany va no izy, ry ambaniandro?â
Dia hoy ny nasetrinâny vahoaka ravoravo miara-miredona manao hoe:
Izany!
Lasa saina ilay Irlande đźđȘ. Hoy izy anakampony hoe dia mba maka fotoana ela loatra kosa eto aminâity firenena ity na dia resaka tsotra aza fa aminâny manaraka tsy ho hadinoko ny hanolotra famataranandro ho anâi Radama.

Izao tontolo izao, 2020.
Maherinâny 3 miliara ny olona tokony nahiboka tao an-tranony, mifanehatra aminâny tenany ao, tsy manana fotoana amanâolona any ho any, na any an-tsekoly izany, na any am-piasana, na hoe hiara-kisakafo atsy sy aroa, amina ora voatondro tsy diso, izay disoana matetika loatra.
Maherinâny 3 miliara ny olona izay tsy voatery hanafaingam-pandeha intsony satria hoe tara tara, mba tsy ho tonga aorianâilay ora marihanâilay famataranandro, mba tsy hanafintohina anâizato fifanarahana izay toa tsy ahitana olona manozongozona firy loatra intsony.
Maherinâny 3 miliara ny olona izay asa raha voavonjinâny fotoana rehefa avy namonjy fotoana lava izao ary asa raha mety hanam-potoana hanarenana ireo fotoana verivery fotsiny na hanenina ireo fotoana lanilany tamin-tsisy dikany. Fotoana verivery fotsiny tsy nikarakaraina ny tokantrano araka ny tokony ho izy, kinanjo aminâizao, mihiboka maraina antoandro hariva ao aminâizato fonja izay ny tena ihany no nanorina azy. Fotoana lanilany tamin-tsisy dikany nefa tokony mba nanambatambazana sy nikolokoloina ny vady, ny zanaka, ny mpiarabelona, nefa tokony mba naka fotoana nahafantarana anâizy ireo kokoa, ary rehefa dinihanaââânahafantarana ny tena kokoa.
Azo lazaina fa ankoatra ilay tebiteby miavaka nentinâilay koronavirosy, misy anâizay fahatsapana safatsiroa izay ahafahana manandrana miaina ny fotoana aminâny lafiny hafa tanteraka mihitsy. Na tiantsika na tsy tiantsika.
Toy ny hoe ny fotoana ara-malagasy, ohatra.
Lazaina fa ny Malagasyâââisika Malagasyâââdia tara lava ary tsy hay hazavaina mihitsy hoe mba nahoana loatra re. Na isika samy Malagasy aza, dia mifanome tsiny lava izao, mifanome tsiny mafy dia mafy mihitsy, ary mifanome tsiny loatra aza rehefa zohiana. Ary tsy mahafinaritra henoina izany, ary tsy mahafinaritra ny mahatsapa anâizany.
Fa mialohanâny hanohizana ny tranga malagasy, ndeha aloha isika hitaraiky kely aminâny tranga japone đŻđ”. Sasantsasany taminâireo avaratsaina malagasy taminâiny faramparanâny taonjato faha XIX ary avy teo aminâny voalohandohanâny taonjato faha XX iny dia nanana fahalianana izaitsizy ary tsisy fefy taminâny Japana sy ny Japone. Na raha ny marimarina kokoa ny kisary nosoritany tao an-tsainy na ny velovelony anâny Japana sy ny Japone. Velovelo meva tsivoafetrampotoana izato izy, raha sahisahy moa izaho hampiasa anâizato voambolanaâââilay fahatsivoafetrampotoanaâââizay ny famaritana azy dia tsy voabedantsika na ny kely aza. Raha tsy hoe angaha ao aminâny sy aminâny alalanâny tononkalo.
Angamba.
Iza no mahalala.
Tany Japana, taminâny 2018, nisy lamasinina đ izay tokony niainga tao aminâny Notagawa gara taminâny 7 ora sy 12 minitra no nitonantonana niainga taminâny 7 ora sy 11 minitra sy 35 segondra. Dia ahoana hoy ianao? Tohina izatsizy ny olona, hendratra ny mpandeha, ny iray taminâizy ireo aza dia nampiakatra ilay raharaha tany any aminâny West Japan Railway mihitsy. Tsy ela dia tonga ny fialan-tsiny ampahibemaso:
Izato fanelingelenana lehibe nianjady taminâny mpanjifanay dia tsy azo ekena velively, hoy ny fanazavana nentinâilay kompania taminâny famoahana am-presiny. Hozahanay antsakany sy andavany ny fihetsikay ary hanome antoka izahay fa tsy hisy fanindroany ireny tsifetezana ireny.
Tsy azo ekena velively.
Izany no voambolana nampiasainy noho ilay 25 segondra alohanâny fotoana.
Tranga mahavariana izay maneho tsara hoe hatraiza ny maha sarotiny ny Japone aminâny resaka fotoana. Mety alaim-panahy ihany isika hino fa efa toy izany hatrany angaha haminâizay naha Japone ny Japone kosa angamba izany tany amin-dry zareo tany. Mety alaim-panahy isika ary mety handeha ho azy aza izany eritreritra izany, saingy izao anefa, tsy izany mihitsy no zava-misy.
Ao aminâny sasin-teninâilay boky âNy nahaterahanâny fahataranaâ nosoratanâi Hashimoto Takehiko sy Kuriyama Shigehisa, dia afaka mamaky isika fijoroambavolombelona somary mahatsikaiky fa indrindra indrindra mahasanganehana ho anâizay tojo izany mikasika ny fifandraisanâny Japone aminâny fotoana. Fijoroambavolombelona toy ny hoe:
Nividy hazo aho ilaiko amina fanamboarana ary tokony ho tonga izato hazo rehefa samonta, kinanjo mbola miandry aho mandraka izao. Ilay mpanaotaozavatra dia nipoitra kely tany aminâny ozinina nefa taorianâizay, tsy niverina intsony izy.
Na koa hoe:
Taminâny taombaovao, nila roa andro be izao izy tsy nanaovany afa-tsy ny nifampiarahaba tratry ny taona, nitety tokantrano. Raha izao no mitohy, tsy ho vitako na rahoviana na dia ny antsasaky ny tiako hotanterahana aza ary tsy maintsy hiala ity toerana ity aho.
Nisy miaramila manamboninahitra holande đłđ± iray izay nitondra ny anarana hoe Willem Johan Cornelis Huijssen van Kattendijke izay nipetraka tany Japana tany aminâny antsasatsasaky ny taonjato faha XIX tany nanoratra hoe:
Ny Japone dia manary andro lava tena mahagagagaga izany!
Izay rehetra efa nifanerasera na dia kely fotsiny aza tamina Malagasy dia tsy afaky ny tsy hahatsikaritra fitoviana. Ny fahatarana aminâny saika fotoana nifanomezana rehetra, ilay antsoina hoe moramora, ilay karazana fidonanahana, tsifiraika mihitsy aza, izato way of life toy ny hoe tsisy mahamaika izany, eny na dia izato fotoana nifanomezana aza, eny na dia izato entana nampanaovina anao izay mety hahatafita be ny orinasa kelinao aza, fa dia e e e, tsy mba nisy na ezaka kely aza ny ho tonga ara-potoana na ny mamita anâizany ara-potoana.
Ilay diary notananâilay miaramila manamboninahitra holande taminâny 1889 teo dia mampiseho masoandro hoe hatraiza ny nampitovy ny Japone sy ny Malagasy aminâny resaka fifandraisana aminâny fotoana.
Taminâny vanimpotoana Edo sy vanimpotoana Meiji, izany hoe taminâny 1603 ka hatraminâny 1868 ary taminâny 1868 ka hatraminâny 1912, ny Japana dia nampiasa Tandrefana maro izay gaga izaitsizy taminâny fihetsiky ny mpiasa japone manoloana ny fotoana.
Fihetsika izay tsy tokana an-tany anâny Japone irery ihany taminâizany andro izany. Fihetsika izay tsikaritry ny mpibanjina tandrefana ihany koa tany aminâny firenena arabo, tany Amerika Atsimo, ary mazava ho azy, taty Madagasikara. Nefa mety mpibanjina samy hafa angaha izy ireo. Nefa ny taty Madagasikara, mpibanjina hafa angaha izy ireo, satria ny mpibanjina dia mibanjina, ny mpibanjina tsy mitsara, tsy mifanalavitra ilay fijerinâi Montaigne manao hoe:
Mba faniriako raha ny tsirairay no tsy manoratra afa-tsy izay hainy, araka ny fahaizany azy, ary tsisy fanampinyâŠ
Fehezanteny izay nanananâi Jean Carol hevitra tsara ka nataony ho epigrafinâny bokiny mitondra ny lohateny hoe âChez les Hovasâ izay milazalaza ny pejiny momba ny fahagagany mikasika izay mpanaotaozavatra izay nantsoiny hanamboatraâââraha tsy diso ny fitadidiakoâââfanaka tao an-tranony ary tsy niverina intsony. Eny e, tsy niverina izy taminâilay fotoana nifanomezana, fa taminâny tsy nisy olona kosa tao an-trano, dia namboariny tao ilay fanaka, tsy rototra, toy ny hoe fomban-javatra fahita nâaiza nâaiza izany.
Izato Jean Carol moa, tsy hitahita teo fa, ao aminâny pejinâilay boky io ihany, dia mety nampisongadina zava-dehibe loatra mikasika ny fifandraisanâny Malagasy tsy hoe aminâny fotoana, fa aminâny asa.
Eny tokoa, taminâny âfanevehana ny lalambenâi Frantsa (voalohan-dahasa natao tao Antananarivo taminâny Laroche)â, dia afaka nahita izy hoe ahoana ny fomba fiasana olona 3000, lehilahy, vehivavy ary ankizy, adiny 11 isanâandro, âkaramaina enina isan-jatona iraimbilanjaâ, ary izany, ao anatina haravoana.
Ao anatina haravoana satria miasa ry zareo sady mihirahira, misy karazana mpitarika miventy, ary satria ihany koa tsapany hoe omen-danja ny asany, ary tsy raisiny ho toy ny asa rahateo ny asany rehefa zohiana, fa raisiny ho toy ny fialamboly. Ary lasa lavitra mihitsy i Jean Carol nilaza hoe:
Azoko hoe aminâny fomba ahoana, rehefa bangoina, ny nahatsotra ny nanorina ny piramida teny afovoaninâny dezera, toy ny tany Ejipta, na ny nandavaka tempoly tao ankibon-tendrombohitra, na toy ny any India, tsy nisy akory anâitony milina moderna antsika itony, fa aminâny fampihetsehana fotsiny tanana maro manara-pitsipipifehezana.
Ny andro tany dia tsy dia tena hoe karankaina loatra taminâizany andro izany, fa tsy izay aloha ilay resaka ary raha hiverina aminâny fotoana, dia araka ny filazanâi Edward Twitchell Hall, antropology amerikanina manampahaizana manokana momba ny fifampikasohankolontsaina, dia misy sokajy anankiroa lehibe mikasika ny fahitanâny fiarahamoninâolombelona ny fotoana.
- Ny sokajy voalohany, dia ny olona dia karaza antsoina hoe monokronika. Ao aminâizany karaza ana fiarahamonina izany, dia ny tsirairay ao anatiny dia manao zavatra iray isaky ny mandeha, manana fandaharampotoana mazava tsara na amina fotoana voafaritra mazava tsara.
- Ny faharoa, ny olona dia karaza antsoina hoe polikronika. Ao aminâizany karaza ana fiarahamonina izany, ny olona dia afaka miaina (fa tsy hoe manao) tranga maromaro (fa tsy hoe zavatra maromaro) ao anaty fotoana iray ary mirona manome vahana ny fifandraisanâny samy olombelona.
Ohatra hoe, indray mandeha izay, nifenana tamina namana aho, teny an-dalana, teo ambodinâny tohatohabatonâAntaninarenina, Antananarivo. Nifampiarahaba izahay, dia nifampanontany hoe manao ahoana, dia nifampitantara anâizao sy izao. Indray minitra teny antsefatsefan-dresaka teny izy nilaza fa tara, hoe tokony hamonjy fotoana amina ora iray izay (teo aminâny 15 minitra talohanâny nilazany izany ilay fotoana tokony novonjena), dia nidrikina aho hoe mandehana fa naleony nijanona, naleony niresadresaka, niresadresaka anâizao rehetra misy dikany izao fa indrindra anâizao rehetra tsisy dikany izao. Dia tonga saina aho taminâizay fotoana izay hoe aleony manome vahana ny fifandraisanâny samy olombelona, izato fotoana nifampizarainy niaraka tamiko, izato fotoana nifampizarainay niaraka. Nanome vahana izy (ary mbola manome vahana) ny fifandraisanâny samy olombebelona izay napetrany amboninâny ora nifanomezana voafaritra mazava, raha haka ny teninâi Edward Twitchell Hall.
Aty Madagasikara, taloha indrindra indrindra, rehefa hilaza fepotoana iray, dia mampiasa fiteny toy ny hoe âin [isa] mahamasa-baryâ. Raha ohatra hoe haka fotoana toy ny indray mahamasa-bary izato izy, dia sahabo 30 minitra, raha ohatra hoe haka fotoana toy ny indroa mahamasa-bary, dia sahabo 60 minitra. Fa tsy fahamasaham-bary ihany no atao fanoharana, fa ny fahamasaham-patsa ihany koa, sahabo 15 minitra, sy izao karazana fahamasahana hafa izao. Rehefa milaza ora, dia milaza ihany koa isika zavatra toy ny hoe âeo am-pamatoran-janakombyâ, izany hoe eo aminâny fotoana famatorana zanakomby, eo aminâny aminâny 2 ora na aminâny 2 ora sy sasany tolakandro iny, ary rehefa hilaza ny ora hafa rehetra, dia manaraka anâizay lojika izay avokoa.
Ny zavatra atao amboninâny fotoana.
Maka fotoana aho iresahana aminao.
Maka fotoana aho andrahoiko vary.
Tsy ny fotoana no mibaiko anahy hoe mila mandeha aho izao, na hoe mila taperina ity resadresatsika, ilay fotoana iarahako aminao, tsy ny fotoana no mibaiko anahy ihany koa hoe mila esoriko eo ambony afo ny vary, hesoriko eo io rehefa tsapako hoe vonona, na dia may aza ny variko tsindraindray eny.
Ny fotoana polikronika, toy ny tany Japana taminâizany, noho izany dia malefolefo, azo volavolaina ary afaka mitsetaka amina tranga raha haka hatrany ny teninâi Edward Twitchell Hall.
Izany no nitranga tany Japana taloha, ary mbola izany no mitranga eto Madagasikara mandraka ity ny androany. Eny e, tsy dia tena izay tanteraka, satria misy ihany ireo izay nandray anâilay fotoana monokronika fa tsy nahavita nametraka izany araka ny tokony ho izy toy ny tany Japana, ary izany na dia efa fotoana firifiry aza izay.
Ary rehefa haintsika fa ireo fahitana ny fotoana ireo rehefa mifandona dia miteraka dofitra tsy azo tsinontsinoavana, dia rariny raha manontany tena isika hoe moa ny tsifahalalana ny fisianâireo fahitana anankiroa ny fotoana ireo tsy anisanâny fototry ny marary eo anivonâity fiarahamonina malagasy ity indrindra indrindra fa tsy eto ihany, fa rehefa iny mivahiny any ivelany any iny ihany koa ilay Malagasy polikronika na rehefa miara-mipetraka amina ambanilanitra hafa any ho any.
Fitsaranaâââary efa haintsika izanyâââanatobahana ary tsoakevitra mailaka ery nefa tsotsorina ihanyâââhaintsika izany izaoâââizay tonga haingana loatra.
Ny fitsarana mailaka ery momba ny fotoana dia mankany aminâny fitsarana mailaka ery momba ilay lazaina hoe fihatsarambelatsihy. Almoamen Abdalla, profesora lefitra ao aminâny TĂŽkai Institue of Global Education and Research, teraka tao Caire đȘđŹâââizay raha tsy namaky azy io dia tsy nisy angamba anâizato fahatongavantsaina, ary ara-potoana, mikasika ny fotoanaâââdia nanipika fa ao aminâny fiarahamoninâolombelona rehetra, dia toa mirona isika manome vahana ny endrika ivelany manoloana ny izy anatiny, hoe ahoana ny fahitanâny hafa antsika mialohanâny matoky tena isika ka misokatra aminâizay aminâny hafa. Ilay isika maka fotoana ela mifantina ny hatao ho sary mombamomba antsika ao aminâny Facebook angaha dia azo atao hoe porofo aminâizany.
Raha ohatra izany ka ny fitsarana ivelany voalohany rehefa tojo olona iray dia setrinâny fanajampotoanyâââana Malagasy irayâââary raha izay fitsarana ivelany izay dia hamafisinâilay fahasamihafana manokana malagasy izay tsy misokatra loatra amanâolona, izay tsy mahay mandĂ loatra (toy ny Japone), dia vita vetivety ny fitsarana manao hoe ny Malagasy dia mpihatsaravelatsihy, sy zavatra hafa matetika tsy tsara, hatrany.

Mitsara olona iray hafa, mitsara kolontsaina iray hafa, miainga aminâny fahitanâny tena ny tontolo, miainga aminâny solomasompandinihanâny tena, miainga aminâny fahitanâny tena manokana hoe inona ny atao hoe âmandeha ho azyâ.
Firifiry ny gera sy ny horera izay mety voasoroka raha naka fotoana kokoa isika namantatra ny hafa aloha izay vao tohina aminy, milaza azy ho ratsy, ho malemy, ho ambany? Naka fotoana namantatra sady, indrindra indrindra, naka fotoana nampahafantatra.
Eny e, raha ny fikasana moa (taminâizany, aminâizao) dia ny milaza marina ny fitoviana eo aminâny mponina rehetra fa tsy ny manipika ny fahamboniana mponina iray, kolontsaina iray, manoloana mponina hafa, kolontsaina hafa, dia maka fotoana isika mamantatra, fa tantara hafa indray izay, tantara olombelona tokoa, ary doria, hono.
Tantara olombelona? Tsy azo lavina, avy eo hoe âdoriaâ, iza no mahalala izay hafitsoky ny ampitso ary
Ela ny ela, lasa avokoa
Hoy i LĂ©o FerrĂ© mihirahira, ary ny fotoana dia nanambara antsika tsara fa maro loatra ireo zavatra noheverintsika hoe raiki-tampisaka, hoe tsy hiova na rahoviana sy âdoriaâ no tsikaritra fa tsy dia izay loatra.
Misy aza, amboninâizany, dia te hanafoana tsotra izao ny fotoana na inona lazainâi LĂ©o FerrĂ© na inona, satria aminâizay mantsy, dia tsy misy lasa na ny kely aza, satria ny fotoana, efa tsy misy. Misy aza dia te hanafoana tsotra izao ny fotoana, toy ry zareo ao aminâizato nosy norvezianina antsoina hoe SommarĂžy. Satria tokoa araka ny filazanâi Kjell Ove Hveding, mponina ao aminâio nosy io:
Ny maraina, mila mandeha miasa aminâizao ora na aminâizao ora, ary na dia rehefa avy miasa aza, ny famantaranandronao dia maka ny fotoananao. Mila manao anâizao aho, mila manao anâizatsy. Ny tsikaritro, dia hadinonâny olona fa afaka mandeha ho azy izy, manapakevitra hoe tsara ny andro, baliaka ny masoandro, dia ndeha hiaina fotsiny.
Meva kosa izany.
Ary rehefa miresaka Norvezy đłđŽ ihany, Ăyvind Dahl, profesora norvezianina ana antropolojia ara-piarahamonina sy ara-tserasera ana fifampikasohankolontsaina ao aminâny Sampampianarana ana Misiona sy Teolojianâi Stavanger (izay teraka taty Madagasikara, tao Antsirabe), ao aminâny boky âSignes & significations Ă Madagascarâ dia mampitandrina aminâny fomba malefaka hoe:
Ny fahitana ny fotoana dia singa fototra manan-danja manokana ana mponina aminâny fomba fijeriny ny tontolo ary milentika ao aminâny tranga sy lahasa isan-karazany. Ao aminâny serasera ana fifampikasohankolontsaina, ny tsififankahazoana ateraky ny tsifitoviana eo aminâny fahitana samihafa ny fotoana dia mitarika matetika fahasorenana sy fanohizana hatrany ny fitsarana dieny am-boalohany ho anâny ankilany rehefa misy fihaonana ara-kolontsaina.
Rehefa hiresaka fanoharana ara-potoana malagasy, ao anatinâio boky io ihany, dia maneho fa aminâny malagasy:
- rehefa hanondro tranga tany aminâny lasa, na ny lasa, dia mampiasa ny voankevitra taloha na teo aloha (izay midika hoe eo anoloana)
- rehefa hanondro tranga ankehitriny, dia mampiasa ny voankevitra izao na izao fotoana izao (izay manondro toy ny âioâ saingy tsy hita maso akaiky, toy ny hoe: âPiho izao tele mitatatata izao!â raha any ambadika any ilay miteny)
- rehefa hanondro ny hoavy, dia mampiasa ny voankevitra aminâny manaraka (ao ivoho) na any aoriana (any afara)
Naotiany hoe:
Azontsika lazaina izany, ara-panoharana, fa ny Malagasy dia mandeha mianotra mankany any aminâny hoavy!
Fa ampiany nony avy eo hoe:
Raha ny marina, ilay fijery fanoharana manaraka ito no tsy azo lavina hoe mitombina kokoa: ny mpibanjina tsy mihetsika na ny kely aza ao anatinâny fotoana, ny mifanohitra aminâizany aza, ny fotoana no tamy avy aty aoriana ary misongona ny mpibanjina. Aminâizay, satria tsy manana maso afa-tsy eo anoloanâny loha, tsy afaka âmahitaâ izy afa-tsy ny ankehitriny sy ny lasa, kanefa ny hoavy dia tsifantatra,âtsy hitaâ.
Ny tsififehezana anâizay sy ny zavatra mafonja hafa momba ny tena sy ny hafa, fa ihany koa ny fanabeazana mirona tandrefana sy ny fiofonkolontsaina tsy hay sakanana, no nahatonga anâireo Malagasy maro dia maro izay nihevitra hoe mety aminy ny mihaino olona, tsy voatery hoe ratsy fikasa aminâny ankapobeny, te hino izany aho, izay manao di-doha hoe (Arahaba fa) Tratry ny Taona dia tsy mety, satria ny fotoana dia tsy âmihetsikaâ, fa (Arahaba fa) Nahatratra ny Taona no mety, satria ny olona no âmihetsikaâ noho izany.
Ilay Tratry ny Taona moa midika hoe âmirary anao fa tratry ny taombaovao ianaoâ ary ny Nahatratra ny Taona dia midika hoe âmirary anao fa nahatratra anao ny taombaovaoâ.
Eto ihany tokoa aho dia te hanipika hoe ity lahatsoratra ity dia notairina tweet iray izay nataoko indray Paska. Na raha ny marimarina kokoa taminâny fanehoankevitra sy ny fientanana nanodidina azy io. Mariho anie aminâilay tweet itsy ambany itsy, fa nanao diso roa aho.
Ny voalohany, tsipelina, tsy haiko loatra hoe nahoana fa te hametraka c hatrany aho rehefa manoratra PĂąques, ary matetika misalasala hoe hametraka s aminâny farany na tsia. Angamba satria teo aminâny âprotestantismaâ malagasy nitaizana anahy, dia milaza hoe Paska ary teo aminâny katolika izay nandaniako fotoana elaela ihany, dia milaza hoe Paka, sa moa misy ifandraisany aminâilay hoe Passover na Easter, tsy haiko loatra, fa isan-taona, dia eo aho.
Ny faharoa, dia eo aminâny famaritana ny hoe Tratry ny, somary mahatsikaiky satria faniriako ny hoe ampy ao anaty tweet iray fotsiny izato izy, saingy ny famerana ny isanâny singa dia nandavo ny sada notsiloviko eto, izay tsy tena hoe diso tahaka ny inona ao aminâizato tweet, ho anâilay hafatra, ary hamafisiko ihany na izany aza ao aminâny fanehoankevitra iray ao ambany ao, fa mahatsikaiky ihany na izany aza:
En malgache, à Pùcques ou au Nouvel An ou à un anniversaire, on ne souhaite pas (un futur) on félicite (du passé)
On dit âTratry nyâ qui signifie âJe vous fĂ©licite dâavoir pu atteindre [PĂąques]â
Ăa rĂ©sonne particuliĂšrement ces temps-ci⊠#Madagascar
â mose njo âš (@mosenjo) April 12, 2020
Hanipihana mafimafy kokoa hoe ny fotoana no âmihetsikaâ fa tsy ny mpibanjina na ilay Malagasy, Ăyvind Dahl dia minaoty ihany koa hoe:
- miandry fotoana, izay midika ara-bakiteny izany ary alaivo sary an-tsaina toy ny hoe ny fotoana no andrasana, ny mpibanjina tandrefana eto hilaza hoe: ny fotoana mandalo
- mihazakazaka ny fotoana, izay midika ara-bakiteny ary alaivo sary an-tsaina toy ny hoe: ny fotoana no mihazakazaka
Ary milaza ihany koa hoe isaky ny kolontsaina dia ahitana fahitana ny fotoana ara-tsipika, ara-pifandiasana ary ara-tranga, fa misy mibahana.
- fahitana ny fotoana ara-tsipika: ny fotoana dia mikoriana amina fitsika tsiankijanona, na mifoha isika na matory; na mahatsiarotena na tsimahatsiarotena, na marisika na risihana, azo lazaina hoe izany ny fahitana monokronika
- fahitana ny fotoana ara-pifandiasana: ny fotoana dia mifototra aminâny fibanjinana ny kisary ara-boajanahary, ny olona dia mijery ny fiposahana sy ny fodianâny masoandro ao anaty fifandiasana anandro, ny fotoana dia tsy ankanifisana, mitohy tsy mijanona ary miverina foana foana, avy aminâny lahasa andavanandro sy andavantaonanâny fiainana an-trano sy an-tsaha ihany koa, ohatra hoe, fotoana raikitra ho anâny sakafo, famoahana ny biby, fanondrahana ny voly, azo lazaina hoe izany ny fahitana polikronika
- fahitana ny fotoana ara-tranga: ny fotoana dia ara-kalitao, tsy azo refesina, tsy afa-manao afa-tsy ny miaina azy ary izany dia aminâny fomba fahitana azy samirery, ohatra hoe, ny karaborosy iray dia tsy miainga aminâny ora raikitra fa rehefa feno izy vao miainga, rehefa ampy izany ny mpandeha andoavana ny dia ary raha azo atao ahazoana tombombarotra, azo lazaina hoe izany ny fahitana ara-tranga
Ny fahitana ny fotoana aty Madagasikara noho izany dia mibahana ny ara-tranga sy ny ara-pifandiasana sady polikronika rahateo. Raha hiverina any Japana kely, ary indrindra indrindra eo aminâny mirazotra Madagasikara-Japana, dia afaka manontany tena isika raha:
Araka izay voalaza rehetra izay, moa ny Malagasy dia tsy Japone
tsy nahavita nitsetaka fotsiny taminâilay fahitana vaovaonâny fotoana satria nandamoka ny azy ny tokony ho vanimpotoana Meijiny?
Mety ho mafy ny hahare anâizany fanontaniana mipetraka izany fa i Ăyvind Dahl, hatrany dia manamarika hoe:
ny fahitana ara-tsipika dia tsy azo lavina fa fepetra mialoha lalana ny fanindostriana sy ny fanabiraoiana
Maka lesona ny modely japone izay, na dia nandray ny fahitana monokronika aza ry zareo dia tsy nanary tanteraka ny fahitana polikronika na izany aza.
Eny tokoa, Almoamen Abdalla dia gagagaga fa na dia faranâizay sarotiny aminâny fanajampotoana aza ny Japone rehefa manomboka zavatra, dia tsy rototra indray ry zareo rehefa hamarana. Ohatra hoe rehefa mivory, ataontsika hoe manomboka aminâny 2 ora, ny olona rehetra dia eo avokoa aminâny 2 ora, tsy misy tara na dia iray segondra aza. Fa raha ohatra hoe io fivoriana io dia tokony hirava aminâny 4 ora, dia tsy maika ry zareo handeha, ny mifanohitra aminâizay aza, maka fotoana ry zareo mamarana tsara araka ny tokony ho izy izay tokony ifampiresahana ao sady mankafy ilay fotoana.
Notsetahan-dry zareo ny maha zava-dehibe ny fahitana ny fotoana monokronika nahatonga sy hampitohy hatrany ny fanindostriana sy ny fanabiraoiana, nefa na izany aza miara-dia aminâny dindony izany raha ampiasa izay voambolana izay aho, misy anâizay filana tsy azo ihodivirana loatra te hankafy ilay aminâizao, tsy iharanâny jadonâny tarehimarika, ny ora, ny fotoana.
Jean-Joseph Rabearivelo, ao aminâny amboaran-tononkalony âSary-Nofyâ, dia niantsa hoe:
Dia nahalalany ny refinâny fotoana resiny â
na vao avy naharesy azy.
Iza no mahalala, mety nahatsikaritra zavatra izato poeta aminâny fomba tsitakatsaina izay rehefa zohiana fototra dia fototra. Nandresy ny fotoana, miditra ao aminâny fahitana monokronika, ny fotoana nandresy lahatra ny Malagasy, ho soa ho azy izany, ao anatinâny hetahetam-pivoarany, iza no mahalalaâŠ
Radama I, etsy ankilany, dia notoloranâi James Hastie famataranandro đ°ïž. Nahafinaritra azy izany fihetsika izany ary nampihariny ny fotoana mirona tandrefanaâââizany hoe ny fahitana monokronika ny fotoanaââânandrindrany ny fanjakany, fa na izany aza, tsy nanadino ny tetiandro manara-bolana izyâââizay azo heverina hoe firaiketam-po aminâny fahitana polikronika.
Araka izay voalaza rehetra izay, moa ny Malagasy dia tsy Japone
tsy nahavita nitsetaka fotsiny taminâilay fahitana vaovaonâny fotoana satria nandamoka ny azy ny tokony ho vanimpotoana Meijiny?
Mety ho mafy hatrany ny mahare anâizany fa na izany aza raha hanandrana hamaly aminâny fomba marina indrindra izany, dia ilaina loatra, sady tsy maintsy manondro aza, hoe eto, eto Madagasikara, dia mifantoka loatra aminâilay fihevitra sy songonâilay nasionalisma izay toa nosalaronâi Ranavalona I sady manakona tanteraka ihany ireo mpanjaka hafa toa anâi Radama I izay mendrika loatra raha andaniantsika fotoana.
Ao anaty lahatsoratra hafa nosoratako, izay hivoaka eto ao aoriana ao, dia nanoratra aho, ary aminâny fomba mahitsy sy manapaka, mikasika ny vanimpotoana Meiji aminâny loko malagasy talohanâny fotoana, izay indrisy nandamoka:
Radama I dia nandray ny fahitana ara-tsipika ny fotoana tao anatinâny vinany hanao ny fanindostriana sy ny fanabiraoiana ny fanjakanyâââMadagasikaraââânefa tsy manipaka ny fahitana ara-pifandiasana ary nandray ho azy, tsy fantany akory, ny teninâi Odon Vallette, ao aminâny lahatsorany âFotoana sy fivavahanaâ manao hoe:
Ny hadisoana lehibe dia ny mampifanohitra ny fotoana ara-tsipika sy ny fotoana ara-pifandiasana. Ny fotoana ara-tsipika dia toa avy aminâny mponina jiosy sy ny riba grika, ny lesonâi Abrahama sy Herodota izany toa nanome (âŠ) anâny olona Tantara, anâny fiainana dikany ary anâny fotoana zanatsipika.
Ny Grika sy ny Jiosy dia nitovy teo aminâny fanatsoahany lesona ny tranga voadaty sy, noho izany, ny nanome dikany ny fotoana sady nampiseho fahamaroana eo aminâny fanazavana ny lasa sy ny fanantenana ny hoavy.
Ny mponina jiosy sy ny riba grika dia toa hoe niteraka ny Andrefana, izany hono. Japana, aminâny maha modely azy ho anâi Madagasikara, dia tokony hitoetra ao aminâny resaka andavanandro. Izato Atsinanana tsy dia lavitra loatra, rehefa zohiana.
Ny fotoana namakianao anâity lahatsoratra ity dia indray mahamasa-patsa, na sahabo 18 minitra. Sahabo, satria miankina aminâny tsirairay, mifandraika izany, ny fotoana dia mifandraika, ary hoy ny teninâi Albert Einstein izay hoe:
Apetraho eo ambony lapoaly mandritra ny iray minitra ny tananao, fa toy ny hoe adiny iray izany. Mipetraha adiny iray eo anilana tovovavy manja kely, fa toy ny hoe iray minitra izany. Izany no atao hoe fifandraika!
Ary aminâny teny malagasy, dia misy fitenin-jatovo fantatry ny maro izay rehefa manomboka mitsiry fitiavana amanâolona manao hoe:
Tara aminao aho
Fotoana mamy any aloha any, ary ny fotoana dia tsy maintsy hisongona izato pandemia, ary mandritra izay fotoana izay, angamba mandinika anâizao zavatra izao sy izatsy zavatra izatsy, toy ny hoe, nahoana tokoa moa no tsy hanao zavatra aminâny fomba hafa, aminâny fomba TENA hafa, maka lesona aminâizay randrana manendrika hoy izay ohabolana iray izay.
Ny fotoana ananantsika, na ny fotoana manana antsika, na izy roaâŠ
Loharano:
- https://www.nippon.com/fr/column/g00584/?pnum=1
- http://www.bibliothequemalgache.com/fiches/BML13.htm
- Singes & significations Ă Madagascar. Des cas de communication interculturelle, Ăyvind Dahl
- https://www.20minutes.fr/insolite/2271335-20180515-japon-train-demarre-25-secondes-plus-tot-compagnie-ferroviaire-parle-inexcusable-desagrement
- Madagascar and its martyrs
- Ancestral Encounters in Highland Madagascar Material Signs and Traces of the Dead, Zoe Crossland
- https://www.facebook.com/photo.php?fbid=459537944438054&set=a.127042474354271&type=3&theater
- https://www.persee.fr/doc/chris_0753-2776_1998_num_57_1_2024
- https://usbeketrica.com/article/une-ile-norvegienne-veut-abolir-le-temps
- https://medium.com/@mosenjo/de-1800-%C3%A0-mes-r%C3%A9solutions-2019-872953d954bb
- https://www.franceculture.fr/sciences/la-theorie-de-la-relativite-generale-100-ans
- lahatsoratra fototra nivoaka taminâny 2020 (izay ho avy tsy ho ela ato) https://mosenjo.medium.com/la-notion-du-temps-%C3%A0-madagascar-ou-pourquoi-le-malgache-est-g%C3%A9n%C3%A9ralement-en-retard-et-pourquoi-cbca2f5bf601