Fanambarana ny Fahaleovantena, ny 4 Jolay 1776, dika teny malagasy
Published · MG · Originally on Medium ↗
Rehefa hita fa ilaina eo amin’ny Lalam-piainan’ny olombelona ny mandevona ny rohim-politika izay namatotra azy tamin’ny hafa ka handray…
Historical translation. Original publication and source attribution are retained in the article where provided.

Rehefa hita fa ilaina eo amin’ny Lalam-piainan’ny olombelona ny mandevona ny rohim-politika izay namatotra azy tamin’ny hafa ka handray, eo anivon’ny fahefana eto an-tany, ilay toerana misaraka sy sahala izay nomen’ny Lalàn’ny Zava-boary sy an’Andriamanitry ny Zava-boary zo azy, ny fanajana mendrika ny fihevitry ny maha olombelona dia mitaky fa mila manambara ny antony mamaritra izany fisarahana izany.
Raisinay ho toy ny mazava ho azy ireto zava-marina ireto, fa ny olombelona rehetra dia teraka sahala, fa nampomba azy Zo tsy azo ihodivirana ny Mpamorona, fa anisan’izany ny Miaina, ny Fahafahana ary ny fikatsahana ny Hasambarana.
Mba hiarovana ireo zony ireo, dia apetraka eo anivon’ny Olona ny Fitondrana, mampiasa ny fahefany ara-drariny avy amin’ny fankatoavan’ireo izay entiny, — Fa na rahoviana na rahoviana hisy Endri-Pitondrana hamotika an’izao tanjona izao, dia manana Zo ny Mponina hanova na hanafoana izany, ary hametraka rafi-Pitondrana vaovao, izay hifototra amin’izany sata izany ary handrafitra ny fahefany amin’izay endrika hitany fa hampisy ny Fandriampahalemana sy ny Hasambarana ho azy. Ny fahamalinana, tokoa, dia manoro fa ny Fitondrana ela nitoerana dia tsy tokony hosoloina noho ny antony maivana sy mandalo, ary noho izany ny traikefa hatrizay dia maneho fa ny olona dia vonona hiaritra ny mafy, raha mbola eran’ny aina kosa, toy izay hisavika fahefana ka hanafoana ny rafitra izay efa nahazatra azy. Saingy rehefa misesisey ela loatra ny antsonjay sy ny fisandohana, mirona mankany amina Tanjona iray manasongadina hoe ny hanetry anaty Jadona tanteraka izany, dia zony, ary adidiny, ny manongana izany Fitondrana izany, sy ny mampijoro Arofanina vaovao ho an’ny fandriampahalemany hoavy. — Izany no fijaliana niaretan’ireto Zanatany; ary izany amin’izao no manosika azy ireo hanova ny rafitra tranainin’ny Fitondrana. Ny tantaran’ny mpanjaka ankehitrin’i Angletera dia tantarana andian’ankasomparana sy fisandohana misesisesy, izay mirona mankany amina tanjona tokana, dia ny fametrahana fitondrana tsy refesi-mandidy eny amin’ny Firenena.
Hanamafisana izany, indro Porofo no haroso anatrehan’ny tontolo tsy manan-tsiny.
Nolaviny ny Fankatoavany ny Lalàna izay madio indrindra sy ilaina indrindra ho an’ny soa iombonana.
Noraràny ny Governora tsy hankatò ireo Lalàna izay maika sy zava-dehibe indrindra, raha tsy hoe naato ny fampiharana raha tsy nahazo ny Fankatoavany, ary rehefa miato, tsy nataony ny nanara-maso izany.
Notsipahiny ireo Lalàna hafa ho an’ny vakim-paritra lehibe, raha tsy hoe manary ny zony mampisy solon-tena ao amin’ireo Antenimiera ireo ny mponina ao amin’ireo vakim-paritra ireo, zo tsy azo ihodivirana lehibe loatra ho ana mponina, izay antambo ho an’ny mpandidy jadona irery ihany.
Nampanantsoany Antenimiera teny amina toerana tsy mety, manahirana sady lavitra ny fametrahana ny Rejisitra Iombonana, ka ny tanjony tokana dia ny hamizana azy ireo ka hahazoana ny fankatoavany.
Nofoanany imbetsaka ny Antenimieram-pirenena satria nanohitra tamin’ny fomba hentitra ny fanitsakitsahany ny zon’ny mponina.
Nolaviny nandritra ny fotoana maharitra, rehefa avy nofoanany izany, ny hampandany Solon-tenan’ny Antenimiera hafa, ka ny Fahefana Manan-kery ho lalàna, izay tsy ho Rava, dia miverina noho izany any amin’ny mponina manontolo izay mampihatra izany; ny Fanjakana tavela nandritra izay fotoana izay, dia tsy afa-manoatra manoloana ireo lozam-panafihana avy any ivelany sy ny korontana ato anatiny.
Nokasainy ny hanakana ny firoboroboan’ny mponin’ny Firenena; hahatrarany izany, notsivalanany ny Lalàna Fizakan-Jom-Pirenena ho an’ny Vahiny; nolaviny ny famelana ny hafa hamporisihana azy ireo hifindra monina eto, ary nakariny ny fepetra Hahazoana Tany vaovao.
Notsipahiny ny Rafi-Pitsarana tamin’ny fanipahany ny Fankatoavany ireo Lalàna mametraka ny Fahefan’ny Fitsarana.
Nataony miankin-doha amin’ny Sitrapony irery ihany ireo Mpitsara, amin’ny faharetan’ny asany, ny taha sy ny fomba fandoavana ny karamany.
Namoronany Birao Vaovao maro, ary nandefasany andiana Mpiasam-birao handrebireby ny mponina ary haka ny fihinanany.
Nampitoerany anivontsika, amin’ny fotoana tsy an’ady, Tafika Maharitra tsy nahazo ny Fankatoavan’ny Antenimierantsika.
Nokasainy ny hanova ny fahefan’ny Miaramila hahaleo tena ary ho ambonin’ny Fahefan’ny olom-pirenena.
Niray tsikombakomba tamin’ny hafa izy hampilefitra antsika eo anatrehana fiadidiana vahinin’ny lalàmpanorenantsika, ary tsy eken’ny lalànantsika, nomeny ny Fankatoavany manoloana izany Lalàna manandoka izany.
Nametraka Andin-tafika mitam-basy teto anivontsika.
Niaro azy ireo, tamin’ny alalan’ny kisarisarim-Pitsarana, ka tsy nahavoasazy azy ireo manoloana ny Vono olona izay mety hataony amin’ireo Olona monina ny Firenena.
Nanimba ny Raharaham-barotsika rehetra amin’izao rehetra izao.
Nanery antsika handoa hetra tsy nisy ny Fankatoavantsika.
Nanaisotra antsika imbetsaka amin’ny tombony azontsika amin’ny Fitsarana misy vaomiera mitsara.
Nandefa antsika any andafin’ny Riaka hotsaraina noho ny heloka manandoka.
Nanafoana ny Rafitry ny Lalàna Anglisy malalaka any amin’ny Faritany mifanila, nametraka tany fitondrana Boraingina, ary nampivelatra ny Sisin-taniny hahafahany hanao ohatra velona azy sady fitaovana mahomby hanatsofohana ny fandidiana tokana tsy azo ivalozana eny amin’ireny Zanatany.
Nanaisotra ny Satantsika, nanafoana ny Lalànantsika sarobidy indrindra ary nanova hatramin’ny fakany ny Endriky ny Fitondrantsika.
Nampiato ny Antenimierantsika, ary nanambara fa izy dia manana ny fahefana hamorona lalàna ho antsika amin’ny tranga rehetra.
Nanala ny Fitondrana aty, tamin’ny fanambarana antsika ho ivelan’ny Fiarovany ary nanangana Ady taty amintsika.
Nandroba ny ranomasintsika, nandrava ny morontsiratsika, nandoro ny tanànantsika, ary nanimba ny fiainan’ny mponintsika.
Mandefa Tafika lehibe ana mpikarama an’ady amin’izao fotoana izao hanatanteraka ny asam-pahafatesana, asam-pamiazana, asan-didy jadona, izay efa nanomboka tamina fomba Tsy mifaditrovana sy tsy mena-mivadika saika nitovy tamin’ireo vanim-potoanan’ny habibiana sy faran’izay tsy mendrika an’izany atao hoe Lohana firenena mandroso izany.
Nanery ireo Mponina toa antsika voagejany eny amin’ny Riaka eny haka fitaovam-piadiana hanafika ny Fireneny, ho lasa mpamono ny namany sy ny rahalahiny, raha tsy izany ho lavony.
Nandrangitra fikomiana teto anivontsika ary nandrisika ny mponina eny amin’ny sisin-tanintsika, ireo Indianina tsisy antra izay fantatra loatra ny fomba fiadiny fa ny handripaka ny rehetra, na firy taona na firy taona, na lahy na vavy, na iza na iza.
Amin’ny isan’ambaratonga rehetra amin’ireny Antsonjay ireny, nitaky Isika tamina fomba maotiny indrindra: ny Fitakiana nisesisesy dia tsy navaly afa-tsy tamin’ny fandratràna nisesisesy. Ny Printsy izay manana toetra voamarika ho hahitan-tsoritra Mpandidy jadona dia tsy mety raha hitondra mponina afaka.
Ary tsy nangataka Isika hoe mba jereo tamin’ny rahalahy Britanika. Nampitandrina azy ireo isika tsindraindray teny tamin’ny fikasany tamin’ny alalan’ny famoronan-dalàna hanitarany fiadidiana tsy mitombina eto amintsika. Nampahatsiahy azy isika ny antony nampifindra monina sy ny nampitoetra antsika teto. Niantso ny fandalany ny rariny sy ny fahamboniam-panahiny isika, ary niangavy azy ireo noho ny rantsika mikoriana mitovy hanipaka ireny fisandohana izay hanapaka tsy hay toherina ny fifandraisantsika sy ny fifaneraserantsika. Nanao be marenina ihany koa ry zareo nanoloana ny antson’ny rariny sy ny ra mikoriana mitovy. Tsy maintsy ekentsika araka izany ny hihaino ny filàna izay mitaky ny Fisarahana ary mihazona azy ireo, toy ny ny fihazonantsika ny olombelona rehetra, Fahavalon’ny Ady, Naman’ny Fandriampahalemana.
Noho izany, Izahay, Solon-tenan’ny Firenena Mikamban’i Amerika, eto amin’ny Kongresy, Mivory ary miantso ny Mpitsara Faratampon’ny tontolo amin’ny hahitsin’ny fikasanay, dia manao, amin’ny Anarany, ary noho ny Fahefan’ny olom-banon’ny Zanatany, ampahibemaso, maneho sy manambara, Fa ny Zanatany Mikambana dia Firenena Afaka sy Mahaleo tena ary Zony feno izany, fa Foana izay mety Fanoavany ny Fanjakana Britanika ary izay rohim-politika rehetra nampifamatotra azy sy ny Firenena Anglisy dia mila levonina tanteraka avokoa, ary amin’ny maha Firenena Afaka sy Mahaleo tena, dia manana Fahefana hanangana Ady, hampisy Fandriampahalemana, hametraka Raharaham-barotra, ary hanao izay mety Hetsika sy Zavatra izay hananan’ny Firenena Mahaleo tena zo. Ary ho fanohanana an’ity Fanambarana ity, amin’ny fitokisana feno ny fiarovan’ny Fandaharana masina, mifampianiana izahay, amin’ny Ainay, ny Harenanay ary ny Voninahitray.

***
Loharano:
- Lahatsoratra fototra: https://www.archives.gov/founding-docs/declaration-transcript
- Ireo mpanasonia: https://www.archives.gov/founding-docs/signers-factsheet
- Ilay hosodoko etsy am-boalohany: https://en.wikipedia.org/wiki/Founding_Fathers_of_the_United_States#/media/File:Declaration_of_Independence_(1819),_by_John_Trumbull.jpg